Canalblog
Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Mabel zahyan

5 février 2013

Parole Irery

 Nandeha teny rehetra teny aho nitady sy nakaroka anao. Tao tsy nisy izay tsy nalehako ireo toerana fahahitako anao. Sento hatrany anefa no nandravaka ny dia irery fa tsy eo ianao,tsy eo tokoa ianao ilay tiako. Irery tokoa aho ety, irery nilaozanao ilay tia nofinofy isisa ireo taloha tantara nivalona ny amintsika roa. Hany volana,hany taona raha toa isika mbola ho tafahoana dia izao no hany teniko aminao ny foko tsy miova fa ho Anao... Miantsoratra. Tononkira izy ity ka mba nalefako eto..afaka jerenareo ao amin'ny Youtube.com ao.(mabel-fitia) no atao recherche..
Publicité
Publicité
5 février 2013

Resam-pinoana.

 Efa tafapetraka tanteraka eto amintsika ankehitriny ny fivavahana kristianina. Maro no milaza ny tenany ho tena kristianina ka zary miteraka ho fisaraham-bazana eo amin'ny samy mpino izany satria samy mihevitra ny fotom-pampianarany ho marina avokoa ny tsirairay. Ankehitriny dia mitombo isan'andro ny karazam-piangonana (fiangonana zandriny na koa atao hoe : secte ) eto amintsika. Eo ny mitaona ny olona amin'ny alalan'ny fanasitranana,eo koa ireo izay misarika ny olona amin'ny fakana ny fony amin'ny hira sy toriteny malefaka.Misy koa anefa ny mampitahotra ny olona fa raha tsy manaraka ny fotom-pampianarany tsotra izao dia very any amin'ny helo. Noho ny fahatrana ve? sa vokatry ny fahasimbana ara-toetsaina no mahatonga izany? Simba ilay fototra maha kristianina ankehitriny.Ny vola no tena loharanom-pasimbana. Misokatra ny ady hevitra.
Publicité
Publicité
Mabel zahyan
Publicité
Archives
Publicité